Farafangana · Atsimo Atsinanana · Madagascar
MILAGNETSARAMiantsena. Mifandray. Mivoatra.
TETEZANA ARA-BAROTRA AVY ANY FARAFANGANA

Harena eto an-toerana. Tsena mifandray kokoa.

MILAGNETSARA dia manampy ny mpamokatra, koperativa, mpanao asa-tanana ary mpivarotra ao Atsimo Atsinanana handamina sy hanazava ny tolotrany, mba hahafahan’ny mpividy mahita vaovao mazava sy azo hamarinina.

MANAFATRA IZAO · FARAFANGANA SY LAVITRA

Tolotra telo azo baikoina izao.

Vidiny mazava, hamafisina mialoha ny tombam-bidy. Santam-bola 50 % rehefa nifanaiky, ny ambiny rehefa vita ny asa.

01 · CV

Antontan-taratasy fangatahana asa

25 000 Ar

CV hatramin’ny pejy 2, taratasy fangatahana asa iray, PDF sy rakitra azo ovaina. Fanitsiana iray tafiditra.

Ny mpanjifa no manome ny tena mombamomba azy. Ifanarahana mialoha ny fe-potoana. Tsy misy fampanantenana hahazo asa.

Hanafatra amin’ny WhatsApp ↗

02 · VISIBILITÉ

Fampahafantarana ny varotra

100 000 Ar

Sary 3, lahatsoratra 3 vonona hapetraka ary katalaogy kely misy vokatra 5 avy amin’ny sary sy vidiny nomena. Andiany fanitsiana iray.

Tsy tafiditra ny dokambarotra andoavam-bola sy ny famoahana. Ifanarahana rehefa voaray ny akora ny fe-potoana. Tsy misy antoka amin’ny isan’ny varotra.

Hanafatra amin’ny WhatsApp ↗

03 · CAISSE

Fitantanana caisse tsotra

100 000 Ar

Modely Excel hanarahana caisse sy tombony, fanazavana 45 minitra ary boky FR/MG. Fanazavana ny vola, fanondroana, lany ary tombony.

Hamarino mialoha ny fotoana sy ny fahafahan’ny fitaovana manokatra ny rakitra. Fototra fitantanana; tsy tafiditra ny fanambarana hetra.

Hanafatra amin’ny WhatsApp ↗

Ao amin’ny fivarotana Ambalafary: Wi-Fi 1 000 Ar/ora · Lalao video 1 500 Ar/ora · Fanontana, scan, Mobile Money · 8 ora–20 ora

Mianatra

Manokatra varavarana ny fahalalana.

Boky, horonan-tsary, lalana hianarana ary hevitra fampiasana indray: atombohy amin’izay ilainao anio.

369boky sy torolalana
150horonan-tsary voatanisa
100hevitra fampiasana indray
29antontan-taratasy fianarana

Asa sy Tetikasa

Eto no manomboka ny dingana vaovao.

Asa eto Madagasikara, iraka lavitra, antso ho an’ny tetikasa ary torolalana maimaim-poana, miaraka amin’ny loharano sy fepetra mazava.

Hijery ny fahafahana

Hijery sy handefa fangatahana maimaim-poana · Loharano nojerena tamin’ny 27/10/2026

DROPSHIPPING · VOKATRA ETO AN-TOERANA · NOMERIKA

Varavarankelin’i Farafangana
manatrika izao tontolo izao.

Manana fidirana manokana ny dropshipping sy ny fikarohana iraisam-pirenena: nomerika, fambolena, fiompiana, finday ary informatika, miaraka amin’ny vokatra eto an-toerana.

Sary maneho ireo sokajy kasaina; tsy vokatra na tahiry efa voamarina ireo zavatra aseho.
Sary maneho ireo sokajy kasaina; tsy vokatra na tahiry efa voamarina ireo zavatra aseho.
CEAFA : efa aseho ny dossier voaray.

Kafe, dipoavatra, jirofo, kanelina, tantely ary menaka manitra. Fantaro ny kaoperativa ary omanoy ny fangatahana devis.

Hijery ny mombamomba ny CEAFA →
MILAGNETSARA

Sehatra dimy, tanjona iraisana

Miantsena

Vokatra eto an-toerana sy lisitra mazava

Mifandray

Internet sy Wi-Fi

Tolotra

Fanontana sy fanampiana nomerika

Milalao

Lalao sy fialamboly

Mianatra

Fahaiza-manao nomerika sy azo ampiharina

MILAGNETSARA

Rafitra ara-barotra miainga avy eny ifotony.

Tsy manolo ny fifandraisan’ny olona izahay. Mandamina ny vaovao ilaina amin’ny varotra izahay: fiaviana, mpivarotra, vidiny, fonosana, fisian’ny entana, fahafaha-mamokatra ary antontan-taratasy manohana.

Avy eny ifotony ho lasa tolotra azo ampiasaina

Mahafantatra

Mihaona amin’ny mpivarotra sy mpamokatra

Manangona vaovao

Manoratra ny antsipirihan’ny vokatra

Manamarina

Manamarina ny porofo sy ny fifanarahan’ny vaovao

Manomana fiche

Mamorona karatra mombamomba ny vokatra

Mampifandray

Mandray fangatahana ary manaraka izany

Ny efa vita sy ny mbola mila porofo

Efa voaomana ny rafitra nomerika sy ny dingana ara-barotra
Efa voarafitra ny fanangonana sy fanamarinana vaovao
Andrana CEAFA: natolotra ny taratasy fanontaniana; miandry valiny
MILAGNETSARA

Andao hanorina fiaraha-miasa ara-barotra azo itokisana.

Mpamokatra, mpividy, mpiara-miombon’antoka na mpampiasa vola: lazao anay izay ilainao.